Mitohy ny tolotra vaovao hampiroboroboana ny fizahantany anatiny, karakarain’ ny Ofisim-paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana). Toerana azo tsidihina indray ny farihin’i Tsiazompaniry, 90 km any atsimo atsinanan’ Analamanga. Ho hita amin’ izany ny hakanton’ny zavaboahary mandritra ny dia eny an-dalana amin’ny fiara, ny fambolen’ny mponina, ny tsena isan-kerinandro, isaky ny tanàna andalovana, ny fomba fiainan’ny mponina, sns. Anisan’ny tanàna andalovana ny any Ambatofotsy, Sabotsy Ambohitromby (mahita ny tsena), Antovontany (mpanao asa tanana), Ambohimiadana (hividy zavatra samihafa).
Atao mandritra ny roa andro ny fitsidihana, izany hoe, matory indray alina any an-toerana. Azo atao ny misoratra anarana ao amin’ny tranohevan’ny Ortana, eo amin’ ny zaridaina Antaninarenina.
Njaka A.