Torajofo: mpanakanto am-polony no niaka-tsehatra

Tontosa teny amin’ny Coli­seum Antsonjombe, ny hetsika “Torajofo”, niarahana tamin’ireo mpanakanto maro samihafa. Mpanakanto maro no nanafana izany hetsika izany ny alahady sy alatsinainy. Tanjon’ny mpikarakara ny fisaorana sy fanomezana fahafaham-po ny mpankafy azy. Eo ihany koa ny fankasitrahana ny mpanakanto, izay niara-niasa tamin’izy ireo hatramin’izay. Ankoatra ny fampisehoana, lalao sy fanentanana maro no nentin’ny mpikarakara niara-nitotorebika tamin’ny mpankafy azy.
Niara-paly tamin’ny ekipan’ny RDJ ny mpankafy azy, ny Alahady sy Alatsinainy teo. Samy nahazo ny anjarany avokoa ireo sokajin-taona ton­ga teny. Nisy ny tarika sy hira izay nalaza tany amin’ny taona 2000 tany, sahala ny tarika Rebika sy Mage 4 ary Lola. Tsy adinon’ny mpikarakara ihany koa anefa ny nanome fahafinaretana ny tanora, tamin’ny alalan’ny fampisehoana nataon’ny tarika sy mpanakanto manana ny lazany ankehitriny. “Mitohy ha­tra­ny ny fiarahana ary vonona izahay hanome sy hampifaly hatrany ny mpankafy anay” hoy ny mpikarakara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: