“Hita ho lesoka ho an’ny ekipa malagasy ny andro ratsy, avy ny orana, ka sarotra ho azy ireo ny mitazona sy mandray baolina. Tsy mahazatra antsika nefa ny milalao amin’izany”, hoy Andriamaro Hajason Maminarivo, mpanazatra ny Makis de Madagascar, vehivavy, raha tonga teny Ivato, omaly 1 avrily 2023.
Marihina fa mitana ny laharana fahasivy ny ekipa malagasy, raha oharina amin’ ireo ekipa 12 nandray anjara, nandritra ny fifaninanana “World Rugby Sevens Challenger Series 2023” na Rugby ho an’olona fito, izay notanterahina tany Afrika Atsimo, ny 20-22 lasa teo,ny dingana voalohany, raha toa ka ny 28-30 avrily ny faharoa.
Raha hiverenana ny lalao nataon’izy ireo, fandresena tokana no azo tamin’ny fifanintsanana voalohany, raha toa ka fahombiazana roa no vitan’ny Makis tamin’ny faharoa. Anisan’izany ny nandresentsika ny Meksika, tamin’ny isa 24 no ho 0, nandritra ny dingana faharoa, raha toa ka efa lavontsika, tamin’ ny isa 27 no ho 7, izy ireo teo amin’ny lalao voalohany.
“Hiezaka ny hanomana ny ho avy, ary vonona hatrany ny hiaro ny voninahi-pirenena”, hoy ny nambaran’i Claudia, mpilalaon’ny Makis Ladies 7. Araka ny fanazavan’ny teknisianina malagasy, hanova paikady izy ireo ary hanomana ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny lalao Olympika 2024, lalao hatao ny volana oktobra ho avy izao.
Hihaona amin’i Sénégal ny Makis kely
Ankoatra izay, mihazona ny laharana fahavalo ny Makis de Madagascar, sokajy U-20, nandritra ny fifaninanana Barthes Trophy, natao tany Kenya, ny 20 avrily hatramin’ny 1 mey lasa teo. Tsy nahita fandresena mihitsy ny Makis nandritra ireo lalao rehetra nataony, saingy hisy ny lalao fanavotana na “match repêchage”, izay hihaonantsika amin’ny ekipam-pirenen’i Sénégal, ny volana desambra ho avy izao. Natao hitazonana ny toerantsika amin’ny fifaninanana Barthes Trophy izany fihaonana izany.
Fitia (Mpianatra asa)