Asa fanaovan-gazety: harindra ny fomba fiasa amin’ny sehatra nomerika

Mitohy ny atrikasa mba hiarovana ny falalahana maneho hevitra sy mahazo vaovao ary fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Omena lanja amin’izany ny fandrindrana ny fomba fiasa eny amin’ireo sehatra nomerika rehetra.

Hankalazaina anio, ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Misy, araka izany, ny atrikasa hahafahana mandrindra ny sehatra nomerika rehetra, hatao eny amin’ny Canal Olympia An­do­hatapenaka. Hetsika karakaraina sy eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, mandritra ny roa andro. Tanjona ny hanaraha-maso ny fomba fiasa eny anivon’ireo sehatra nomerika mba hiarovana ny falalahana maneho hevitra sy ny fahazoam-baovao.
Tsapa fa mivelatra sy mitombo ny fivoaran’ny fitaovan-tserasera sy ny teknolojia avo lenta eto amin’izao tontolo izao (Tweeter, facebook, Instagram…). Lasa fitaovana entin’ny olona hanaparitahana vaovao diso, tsaho, sy fanalam-baraka ary fandrangitana amin’ny endriny samihafa, izy ireny. Ny fahatsapana izany no antony nanaovana ny atrikasa, araka ny fanazavan’ny mpikarakara.
Anisan’ny maha maro ny atrikasa ihany koa ny maha taom-pifidianana ny taona 2023. Ankoatra izay, ho fiarovana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fanehoan-kevitra ary ny fahazoam-baovao marina sy ny demokrasia izany. Indrindra manoloana ireo vaovao diso sy tsaho eny anivon’ny fitaovan-tserasera.
Handrasana, noho izany, ny hahafahana mandrindra ny fomba fiasa eny anivon’ny sehatrasa nomerika rehetra maneran-tany. Efa maro ny atrikasa natao hialana amin’ny fiparitahan’ny vaovao diso eny anivon’ny fitaovan-tserasera. Anisan’izany ny atrikasam-pirenena mikasika ny vaovao tsy marina, tamin’ny novambra 2022. Teo koa ny ady hevitra iraisam-pirenena momba ny fahatokisana ny “internet”, tamin’ny febroary lasa teo.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: