Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, eny amin’ny Fofikri Ilafy, haharitra efarana ny “Fihaonamben’ny raiamandrenin’ny Malagasy”. Fivoriambe karakarain’ny fikambanana Laka, tarihin-dRakotondrasoa Noel. Mpiahy izany ny Antenimieran’ny andrian’Imerina na AAM, miaraka amin’ny Andriambe Randriamahary Hamona. Tanjona ny hananganana ny Antenimieran’ny raiamandreny ara-poko misy eto Madagasikara sy ny fampiraisana ny mpandala na ny mpitahiry ny nentin-drazana.
“Fotoana izao hamerenana ny maha Malagasy am-pahendrena, an-kitsi-po sy am-pitiavana hikatsahana izay hahasoa sy hahatsara azy, hiadanam-pinaritry ny vahoaka amin’izay, sy hiarovana azy amin’ny veriverin’ny vela-pandri-panjanahana maroloko tsy misy fitsaharana”, hoy ny mpitantsoratry ny AAM. Fihaonana sy fikaonandoha, fifampizarana isam-poko. Ireo no mamaritra ity eny Ilafy ity.
Nentanina ho tonga amin’ny fihaonambe ny foko rehetra eto Madagasikara. Anaty fandaharam-potoan’ny dinika ny mombamomba azy ireo, fifanakalozana ny fomba sy kolontsaina eo amin’ireo foko.
Hisy ny fananganana ny Antenimieran’ny foko malagasy misy eto Madagasikara. “Antenaina ihany koa ny hisian’ny fandinihana ny mahakasika ny taom-baovao malagasy ao anatin’izao fihaonamben’ny raiamandrenin’ny Malagasy izao” hoy ny mpitondra tenin’ny AAM.
Manentana ny tomponandraikitry ny foko sy ny zana-poko rehetra mba hiaro sy ho sarotiny amin’ny maha Malagasy, na fomba izany na harena, izy ireo. “Mbola very hasina ny maha-tompon-tanindrazana isika Malagasy, tsy manan-jo amin’ny fananany”, hoy ity mpitondra teny namarana ny resaka ity.
Lin (Mpianatra asa)