Fanokafana ASIEF Analamanga : minisitera 9 nifaninana VTT sy hazakazaka

Natao ny alahady lasa teo, tetsy Anosy, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga ASIEF, taranja hazakazaka am-bisikileta sy atletisma. Ni­faninana ny minisitera 9 tamin’ireo 19. Niara-dalana tamin’izany ny fifaninanana VTT, nahitana minisitera 3 tamin’ireo 4 mpikambana. Hesika nampitondraina ny anarana hoe “Rodoben’ny firaisankina”. Ankoatra ny atletisma, anatiny koa ny fifaninanana ny taranja volley sy basikety ary ny baolina kitra. « Afaka iray volana sy tapany no hiditra amin’ny dingana famaranana », hoy ny Sekretera Je­neraly eo anivon’ny ASIEF, Tahiana Valohery.
Ho an’ny taranja Lomano, efa vita tamin’ny sabotsy teo ny famaranana, natao tetsy amin’ny dobo filomanosan’ny ANS. Tsy mitsahatra miantso ny mpiasam-panjakana hanao fanatanjahantena kosa ny fi­lohan’ny ASIEF, Andriana­rison Aimé Botosera. Noha­mafisiny fa fanafody tsy vi­diam-bola izany.
Eo am-panomanana ny fifaninanana nasionaly, hatao any Toamasina, amin’izao ny ASIEF. Ezaka goavana hatao ny fiadiana amin’ny mpikaraman’ady. Mpiasam-panjakana, hatramin’ny 20000 no handrasana mandritra izany.

Mi.Raz

Partager sur: