Faritra Atsinanana : mpampianatra 496 tafiditra mpiasam-panjakana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny lycée Jacques Rabemanan­jara, ao Toamasiana. Lisea lehibe indrindra eto Mada­gasikara, ahitana mpianatra eo amin’ny 4000 eo ho eo. Nanatrika ny lanonana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle.
Nandritra ny fotoana, ni­zarana taratasy fifanarahana arakasa ireo mpampianatra andiany fahasivy, voaray ho mpiasam-panjakana. Miisa 189 avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, Toamasina II ary Brickaville izy ireo. Tafi­ditra amin’ny fandraisana mpiasam-panjakana ampa­hibemaso izany. 496 ireo mpampianatra voaray ho mpi­asam-panjakana ma­ne­rana ny faritra Atsinanana. Ireo fari-piadidiam-pampianarana telo ireo no nanombohana ny fizarana fifanarahana ho an’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsinanana. Hotohizana any amin’ireo fari-piadidiam-pampianarana efatra sisa izany tsy ho ela.
Nandritra ny lanonana no natolotra ny bisikileta 754 ho an’ ireo mpianatra sangany sy ireo mpampianatra mendrika tao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I sy Toamasina II. Nahazo dabilio miisa 200 ihany koa ity lisea ity.

Vonjy

Partager sur: