Efa nalain’ireo ekipa valo avokoa ny tapakila hahafahana miatrika ny fifaninanam-pirenena “Playoff, OPL 2023”. Anisan’ireo ekipa nahazo izany farany ny Ajesaia Bongolava, izay avy ao amin’ny kaonferansy avaratra.
Efa fantatra avokoa ny ekipa 8 tafita hiatrika ny “Play off” avy amin’ny kaonferansy atsimo sy avaratra, fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara “Orange Pro League 2023”. Anisan’ireo ekipa farany nahazo ny tapakila, hiatrehana izany ny Ajesaia Bongolava. Fandresena tamin’ny alalan’ny “forfait”, nanoloana ny tsy fahatongavan’ny Tsaramandroso Formation Boeny, no nahazoan’izy ireo ny tapakila hanohizany ny dia.
Fihaonana, tokony natao teny amin’ny kianja Ambohidratrimo , ny alahady lasa teo. Tsy tonga tany Antsiranana ihany koa ny Uscafoot tokony hidona tamin’ny ASA Diana. Nahazo isa 3, ny ekipan’Antsiranana.
Ankoatra izay, resin’ny 3FB Toliara, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0, ny Disciples FC. Nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny Dato FC sy ny Elgeco Plus.
Raha tsiahivina hisolontena ny kaonferansy avaratra ny Fosa Jr Boeny, ny Cosfa Analamanga, sy ny Ajesaia Bongolava ary ny AS Fanalamanga, Alaotra Mangoro. Ho an’ny kaonferansy atsimo, ny Elgeco Plus sy ny CFFA samy Analamanga, miampy ny Mama FC Ihosy sy ny Disciples FC, Vakinankaratra.
Andrasana amin’ny fanazavana hoentin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Club de Foot-ball Elite de Madagascar (CFEM) hataony anio alarobia, ny ho firafitry ny fitsipika hitondrana ity “Play-off” ity sy ny fotoana hanatontosana izany ary ny kianja.
Mbola misy ny lalao hafa tsy vita, saingy tsy mampiova ny ekipa valo efa tafakatra amin’ny dingana manaraka izany.
Tompondaka