Adin’ny mpivady niafara tamin’ny fikasana hamono tena! Navatan-drangahy tany anaty tambohon’olona ny fiara noentiny, ny alahady alina lasa teo. Nentin’ny hatezerana, nirimorimo, nihevitra ny ho faty izy. Kinanjo, ny tanany no tapaka, simba ny fiara. Rava ihany koa ny fefin-tokontanin’olona nifatraran’ny fiara. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanarenana ny simba ny tomponandraikitra eo anivon’ilay orinasa tompon’ny fiara.
Tsiferana R.