“Henjana ny fifampihantsiana ara-politika eto Madagasikara. Ny fanaovana fifanarahana politika ihany no vahaolana ialana amin’izany ka zaraina telo mazava : ny afaka hofidiana dia ny mpomba ny fitondrana, ny mpanohitra ary ny hery afovoany”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Nohamafisiny fa misafidy hanolotra olona iray ho kandidà filoham-pirenena ireo. Nambarany fa olana koa ny voalazan’ny andininy faha-54, amin’ny lalampanorenana ho an’izay filoha lany eo. Betsaka ireo jiolahy politika sy mpikaramanady politika. Be loatra ny antoko politika eto amin’ny firenena. “Tsy mitondra vokatsoa ho an’ny Malagasy izany fa mila hakambana ny vinam-piarahamonina sy ireo politika mijoro ara-dalàna ka mifidy ny kandidà izy ireo na hery ankavia na hery ankavanana na hery afovoany mba hialana amin’ny sakaizan’ny mpandresy”, hoy izy. Raha toa ka fifidianana filoham-pirenena irery no mandeha eto hisedra olana izay filoha lany.
Jean Claude