Ankoatra ny lafiny politika, navoitran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana ny toekarena sy ny sosialy. «Tsy misy intsony ny tena fanatontoloana amin’izao fotoana izao, fa bahanan’ny hery anankiroa, ny tandrefana sy ireo firenen-dehiba hafa sy vao misondrotra», hoy izy.
«Aleo isika tsy hiandry foana ny governemanta, fa afaka miasa foana. Maro ny zava-bitan’ny Antenimierandoholona, na kely aza ny hoenti-manana », hoy izy. Nisy ny kaominina novatsiana fitaovana, toy ny kojakoja informatika, sns. Nofanina ny polisy kaominaly, nampiana ny mpianatra tany Toamasina sy Fianarantsoa. Misy ny fametrahana fiaraha-miasa amin’ny antenimiera frantsay sy La Réunion. Fangatahana fanampiana ho an’ny mpamonjy voina, fampidiran-drano fisotro.
Anisan’ny nisongadina ny fambolen-kazo niisa 40.000 tany Ankazobe, amina velarantany 50 ha. « Aleo isika tsy hiandry foana ny governemanta, fa afaka miasa foana », hoy ihany izy.
Navoitran’ny filoha ,PS, Razafimahefa Herimanana ny naha tompondaka ny filoham-pirenena amin’ny fananganana. Hanamarinana izany ny fanaovan-dalana maro, toy ny RN 5A Ambilobe-Vohemar, ny RN 44, ny RN 13, sns.
Njaka A.