Tanterahina ny sabotsy 6 mey 2023, eny amin’ny Institut Français de Madagascar, IFM, Analakely, ny hetsika “Tour’nao”, fihodinana faharoa. Fifaninanana Slam Poésie, karakarain’ny Madagaslam, Section Tana na MST izy ity. Mitovy amin’ny lalàna mifehy ny fifaninana Slam Poésie ihany no mifehy azy. Ny fisian’ny fihodinana isam-bolana kosa no mampiavaka azy. Tsiahivina, nandrombaka ny fihodinana voalohany Andria Navalona.
Fotoan-dehibe ho an’ny Slamoureux, mpiangaly ny Slam ny hetsika Tour’nao.
Mpiangaly Slam efa manana ny maha izy azy no mifaninana.
Fitsipiky ny fifaninana, ny tsy fampiasana hira sy feo lafika sy tsy fisian’ny fanovana tarehy sy feo . Miova kosa ny fe-potoana raha oharina amin’ny tamin’ny fihodinana voalohany. Nahena 2 minitra ny faharetan’ny seho iray raha 3 minitra sy 10 segondra tamin’ny fihodinana voalohany.
Lin (Mpianatra asa)