Tontosa ny sabotsy 29 sy ny alahady 30 avrily lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny “Open”, taranja tae-kwon-do, nokarakarain’ny klioba Chinjok. Fihaonana niarahana niasa tamin’ny ligin’Analamanga. Ady (Kirugi) no natao tao anatin’ny roa andro. Raha teo amin’ny vokatra, nanjaka ireo mpikatroka avy amin’ny ligin’ Analamanga. Lasan’izy ireo avokoa ny fandresena tamin’
ireo sokajin-danja niadiana, nanomboka tany amin’ny “poussin” ka hatrany amin’ny “sénior” lahy sy vavy. Nahatratra 540 mianadahy mianaka ireo namaly ny antson’ny Chinjok, avy amin’ny ligy efatra dia Analamanga, Matsiatra Ambony, Vakinankaratra ary Atsinanana.
Nambaran-dRakotomanana Franck Tiana, filohan’ny ligin’Analamanga fa nomena ny klioba Chinjok ny fanatontosana ity “Open” ity, mba ho fandraisana anjaran’izy ireo amin’ny fampandrosoana ny tae-kwon-do. Tsiahivina fa niantohan’ny mpikarakara avokoa ny fampiantranoana ireo atleta avy any amin’ny faritra, tamin’ity. Notsiahivin-dRabeson Ndretsa, filohan’ny Chinjok fa anisan’ny klioba manana ny toerany ry zareo na azo lazaina fa zandriny aza. Nandrombaka ny laharana fahatelo izy ireo, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, farany teo. Nohararaotin’ny federasiona malagasy, ny fifaninanana, nitiliany indray ny haavo teknikan’ireo mpikatroka efa voafantina mialoha, hanomana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023).
Torcelin