Tetikasa G3D: miisa 143 ny kazarana hazo sarobidy vaventy fantatra

Sambany nisy tetikasa miompana amin’ny fikarohana siantifika, hamantarana ny karazany sy ny isan’ny hazo sarobidy, toy ny voamboana sy ny andramena ary ny volombodimpoina eto amintsika. Tandindonin-doza anefa izy ireny, ka ilaina ny fitantanana maharitra, nahatonga ny tetikasa G3D.

Tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny tetikasa «Fitantanana maharitra ny hazo sarobidy Dalbergia sy Diospyros» (G3D) eto Madagasikara. Fanohanana ara-teknika hoentina mamolavola ny drafitrasan’ny rafitra iraisam-pirenena mikasika ny varotra biby sy zava-maniry tandindonin-doza ahina ho lany tamingana (Cites) ity tetikasa ity.
Anisan’ny olana eto Ma­dagasikara hatramin’izay ny tsy fisian’ny tarehimarika na antontanisa mazava sady ara-potoana mikasika ny zava-maniry. Tsy fantatra koa ny karazany, ka anisan’izany ny hazo sarobidy, toy ny voamboana, ny andramena, ny vo­lombodimpoina (ébène), izay tafiditra ao anatin’ny lisitry ny Cites, tovana II, nanomboka ny taona 2013.
Araka izany, maro ny asa nataon’ny tetikasa G3D. Nila­za ny Profesora Radanielina Tendro, mpandrindra ny tetikasa G3D, fa nahatratra 4.153 ny karazana zavamaniry voa­angona manerana an’i Mada­gasikara ka hazo sarobidy ny 1.917 tamin’ireo, natoby ao amin’ny oniversite Antanana­rivo sy any amin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Miisa 143 ny karazana hazo sarobidy fantatra, ka «Dalber­gia» (voamboana sy andramena) ny 55, ary 88 ny «Dios­pyros» (volombodimpoina). Tandindonin-doza daholo ny 93%-n’ny karazana voamboana miisa 32 amin’ireo, sy ny 52%-n’ireo volombodimpoina miisa 83.

Faritra 12
Efatra ny laboratoara tafatsangana manerana ny Nosy, afaka manao fikarohana sy fandalinana mikasika ireo sokajin-kazo sarobidy roa ireo. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), ny mpitantana ny faritra arovana, ny mpiasan’ny ladoany, ny mpitandro filaminana, sns, mikasika ity sehatra ity. Voakasik’izany ny faritra miisa 12 eto amintsika. Ha­paritaka any amin’ny faritra sisa izany. Hampiasaina amin’ ny lafiny ilana azy ireo valin’ny fikarohana nataon’ny G3D ireo, mba hisian’ny fitantanana maharitra. Anisan’izany ny hampifanarahana ny antontan-kevitra sy ny antontanisa hampiasain’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, toy ny mpitantana ala, mba hamantarana ny fihavian’ny karazan-kazo.

Njaka Andriantefiarinesy

Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Rindra, to­hanan’ny Vondrona eoropeanina UE, andiany faha-11 ny tetikasa G3D. Ma­haritra dimy taona ny faharetany, ny jolay 2018-septambra 2023. Anisan’ny manatanteraka azy ny Oni­versiten’Antananarivo, sam­pana siansa, ny MBG, sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa.

Partager sur: