Anisan’ny mampidi-doza ny ankizy mpianatra matetika ny fanaovana ireny kapa fitondran’ny mpiasan’ny fahasalamana ireny. Vokany, nandray ny andraikiny ny teo anivon’ny CEG, Radama I, fokontany Tanamakoa ao Toamasina, tamin’ny herinandro lasa iny. Nampodiana niverina tany amin’ny ray aman-dreniny ireo ankizy rehetra nanao ireny. Nosakanana vao maraina teo ambavahadin’ny sekoly mihitsy ireo mpianatra voakasika. Afaka niverina namonjy ny fampianarana ihany izay nanolo ny kapa.
Ny karazana kapa antsoina hoe “Yeezy slide”, izay amidy amin’ny 8.000 Ar ka hatramin’ny 50.000 Ar, arakaraka ny kalitaony no niteraka olana. Lasa lamaody be ao Toamasina ilay kapa ka misarika ny sain-dratsin’ny sasany handroba sy handratra izay manao an’ireny eny an-dalana.
Sajo