Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny firenen-drehetra maneran-tany, anio. Andro natokana mba hanaitairana sy hampahatsiahivana ny mpitondra fanjakana fa tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana izay voarakitry ny fanambarana iraisam-pirenena ho an’ny Zon’olombelona izany. Ny taona 1991, namoahana ny fanambarana voalohany tany Namibia no nanomboka, niketriketrehana azy ity. 1993 kosa vao natokan’ny Firenena Mikambana ho andro iraisam-pirenena, marihina isan-taona, izany hoe, feno 30 taona.
Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety hoe ? Miteraka resabe maneran-tany izany, ankehitriny. Arakaraka ny hisian’izay heverina ho fandrosoana no tsapa fa mihemotra sy mihatery ny sehatra hiasan’ny mpanao gazety. Mirongatra ny herisetra, manao izay danin’ny kibony ny manampahefana, hangejana ny fahafahana miteny sy mamoaka vaovao. Mahazo vahana ny tsindrihazolena isan-karazany. Zary fomba fisainana mamoehatra ny fandrangarangana fonja na karazan-kerisetra ara-batana sy moraly.
Mbola ady goavana no miandry ny mpanao gazety. Tsy ampy hiarovana azy ireo ny lalàna manankery momba ny serasera na ny fifandraisana sy ny fampahalalam-baovao. Ny famolavolana azy ireny rahateo dia efa miankin-doha amin’ny fanjakana mijoro, hanjakan’ny kajikajy sy ny tombontsoa manokana. Ho an’i Madagasikara manokana, nahafaly ery ny nahalany ilay lalàna mifehy ny serasera sy ny fampahalalam-baovao. Nihoraka daholo, fa tsy azo gadraina ny « heloka an-gazety ». Indrisy anefa, mandeha ila ihany izany. Tsy foana akory ny fanasaziana, mainka aza henjakenjana, satria any amin’ny resa-bola toy ny lamandy sy ny onitra no manao misimisy ny mpanenjika.
Na eo aza anefa izany, tsy azo hodian-tsy hita kosa fa mbola azo ihoriranana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Raha atao ny fampitahana amin’ny firenen-kafa, hita taratra fa baranahina aza ny eto amintsika. Betsaka ny tsy fanajana etika sy ny fitsipi-pitondrantena, eny hatramin’ny lalana mifehy ny asa, saingy tazanim-potsiny ireny. Amin’ny anaran-drafahafahana no hialokalofana.
Eto Madagasikara no afaka miteny izay tiany ho teneniny, afaka mivoy izay voiziny, arakaraka ny mahamety azy ny mpampahalala vaovao. « Tsisy bedy » io ! Eo anefa no mila hitandremana tsara, mba tsy hifangaro ny vary sy ny tsiparifary. Mila mitandrina ny mpanao gazety matihanina amin’ireo misora-tena toa voatango. Maro izy ireny no mivezivezy eny rehetra eny ka mandoto ilay asa masina. Ekena fa maro ny mpanao gazety mianatra asa eny an-kianja avy hatrany. Misy manambaka ny nivoaka teny amin’ny sekoly fampiofanana izy ireny. Tsy midika anefa hoe tampom-pahaizana fa mila jerena akaiky ny momba azy ireo, tsy hibirioka amin’ny lalana tsy ara-dalàna.
Amin’izao andro natokana ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izao no ampahatsiavana ny rehetra fa tsy kilalaon-jaza io asa io. Tsy tokony hatao karazana varo-boba ny fanomezana fahazoan-dalana ny sekoly mampiofana mpanao gazety. Betsaka ny tsy mahafeno fepetra akory, kanefa mahazo taratasy. Torak’izany ihany koa ny fizarana ny karatra maha-matihanina. Mila apetraka mazava ny mason-tsivana. Zo sy adidy ny fahalalahana fa tsy fikatsahana tombontsoa fotsiny !
r.r