Ambohidratrimo : omena tosika ny mponina mba tsy hifindra monina

Hatsangana tsy ho ela ny fotodrafitrasa «Trano ho an’ny tanora» eny amin’ny kaominina ambanivohitra Antanetibe-Mahazaza, ao amin’ny distrikan’Ambo­hi­dra­trimo. Tetikasa karakarain’ny “ONG Le Lémurien de Madagascar” eny an-toerana. «Tanjon’ny fikambanana ny hanampina ny tanora mba hahay hivelona amin’ny zava-misy ao aminy fa tsy hifindra monina any amin’ny toeran-kafa», hoy ny filoha iraisam-pirenen’ny fikambanana, Randrianari­son Henry Vonjy Tsoka. “Maro ireo tanora sy mponina mifindra monina any amin’ny toeran-kafa noho ny tsy fahampiana sy faharatsian’ny faripiainany”, hoy izy. “Anisan’ny andry iankinana amin’ny fanatsarana sy fanajariana ny toeram-ponenana misy azy anefa ny ankizy sy ny tanora. Ho fanampiana azy ireo, araka izany, ny antony anaovana ny fotodrafitrasa sy ny tetikasa, raha ny fanazavana.”, hoy hatrany ny fanazavany. Manome tohana ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana, indrindra fa ireo ankizy sy tanora ary vehivavy, miaina any ambanivohitra, ny fikambanana.
Misehatra amin’ny lafiny sosialy sy fanabeazana ary ny fanajana ny tontolo iainana ny fikambanana. Efa maro ny sekoly voaorina teny an-toerana, sy ny fana­tsarana ny lafiny fahasalamana ho an’ny mponina teny an-toerana. Ankoatra izay, mitondra ny anjara birikiny hiaro ny Lémurien eto Madagasikara ihany koa izy ireo.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: