Ampasanimalo: jiolahy tratra teo am-pianihana tranon’olona

Mahita hirika ihany! Ni­fa­nehatra tamin’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2) Ambo­hijatovo ambony, teny Ampa­sanimalo Ankorahotra, afakomaly, ny jiolahy iray nikasa hanatanteraka vaky trano. Toy ny fanao mahazatra, nanatanteraka fisafoana an’elakela-trano amin’iny faritra iny ny polisy ka nifanehatra tamina jiolahy. Teo am-pianihana tranon’olona izy no nalain’ny polisy teo ambony tamboho. Efa saika tafahoatra ny fefy izy tamin’ny fotoana nandalovan’ny polisy. Nomari­hin’ny polisy fa izy irery no nikasa hanatanteraka ilay famakiana trano. No­samborina nentina na­naovana fanadihadiana. Nai­di­tra am-ponja eny Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Mitohy hatrany ny hetsika fampandriana fahalemana ataon’ny polisy.

Jean Claude

Partager sur: