30 taona omaly, ny nankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Anisan’ny nankalaza izany ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG) sy ny tambajotra Malina. Nikarakara fifaninanana «Grand prix Malina 2023», andiany 5 izy ireo. Mpanao gazety 7 mianadahy, mendrika tamin’ny asa fanatsikafonana, ireo nandresy tamin’izany. Natolotra, omaly, teny amin’ny hotel Colbert ny mari-pankasitrahana sy ny loka ho azy ireo. Nandrombaka ny laharana voalohany tamin’izany ireo mpanao gazety 4 mianadahy. Tamin’ny alalan’ny fanaovana lahatsoratra manatsikafona, nitondra ny lohateny hoe: “Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est”. Laharana faharoa ny mpanao gazety 3 mianadahy. Tamin’ny alalan’ny famokarana horonantsary fanatsikafonana, nitondra ny lohateny hoe: “Safira Malagasy: mamiratra amin’ny kolikoly”.
Ady amin’ny kolikoly
Andry sy fototry ny ady amin’ny kolikoly ny asa fanaovan-gazety fanatsikafonana, raha ny nambaran’ ny fikambanana TI-IM. Anisan’ny miantoka ny fangaraharana sy ny tamberinandraikitra mikasika ny fahafahan’ny olom-pirenena sy ny fiarahamonim-pirenena hisitraka vaovao feno sy marina izany.
Nilaza izy ireo fa mbola marefo ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny zo hisitraka vaovao mikasika ny raharaham-panjakana eto Madagasikara. Nohamafisin’ny TI-IM fa ilaina ny lalàna miantoka ny fahafahan’ ny olom-pirenena tsirairay hisitraka izany.
Ankoatra izay, amin’ny maha taom-pifidianana ity taona ity, ilain’ny mpanao gazety ny fahafahany manao ny asany eo ambany fiarovan’ny lalàna mandritra izany fotoana izany.
Marihina fa nisy ny famelaberan-kevitra sy ady hevitra nandraisan’ny mpanao politika sy mpanao gazety, teny an-toerana, mikasika ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fifidianana tomombana.
Mino (mpianatra asa)