Nanomboka omaly, ao amin’ny Complexe Ampisikina, Mahajanga, ny fifaninanana N1A lehilahy ho an’ny kaonferansa Andrefana. Ekipa enina no mandrafitra ny fifaninanana. Tsy tonga ny ekipan’ny SEBAM, Boeny sy ny MB2ALL, Analamanga. Nanokatra ny lalao ny AS Fanalamanga sy ny MBC Atsinanana. Taorian’izay ny fifandonan’ny GNBC Analamanga sy ny ASCUT Atsinanana.
Nambaran’ny vaomiera teknika manaraka akaiky ny fifaninanana fa miezaka ny hampizotra antsakany sy andavany ny lalao izy ireo na misy aza ny fahabangan’ny mpandray anjara. Hitohy hatramin’ny alahady ho avy izao ny fifaninanana. Fotoana hanatanterahana ny famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Boeny.
Hifandona ny GNBC Analamanga sy ny MBC Atsinanana, anio. Manaraka avy eo ny lalaon’ny ASCUT, Atsinanana sy ny AS Fanalamanga, Alaotra Mangoro. Miatrika lalao 3 avy ireo ekipa efatra. Samy hanao manasa-dalana ny sabotsy 6 may ho avy izao.
Ankoatra ny lalao, nitsidika ny tomponandraikitra ambony ao Mahajanga ny ekipan’ny federasiona malagasin’ny basikety, omaly. Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ho fisaorana azy ireo, amin’izao fandraisana ny fifaninanana N1A any an-toerana izao no vontoatin’ny fihaonana.
Mi.Raz