Mitohy ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka, tanterahin’ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Misitraka izany ny ao amin’ny boriborintany fahenina, nanomboka ny talata ka hatramin’ny zoma.
Mikendry ny hisitrahan’ ny vahoaka eny ifotony ny karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ny hetsika. Hisy ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny ataon’ny dokotera. Misy ny fitiliana karazan’aretina maro toy ny diabeta, tosi-dra, ny maso. misy ny varotra solomaso amin’ ny vidiny mora, iarahana amin’ny Lion’sight First Madagascar.
Misy ny fandanjana zaza sy ny torohevitra ara-tsakafo hahatomombana ny fitomboan’ny zaza ara-tsaina sy ara-batana.
Mifanindran-dalana amin’ireo ny tolotra ara-tsosialy toy ny fihainoana sy tan-tsoroka ary fanomezana torolalana isan-karazany. Eo koa ny fitaleavana misahana ny fahasalamana miandraikitra ny fizarana fanafody sy fanentanana ny fandrindram-piterahana…
Fotoana hahafahana manao vaksiny ho an’ny zaza ihany koa ny hetsika ara-pahasalamana toy izao. Misokatra ho an’ny ray aman-dreny mitondra ny zanany hatao vaksiny ny eny an-toerana.
Afaka misitraka vaksiny miaro amin’ny covid19 koa ny olon-dehibe rehetra miohatra ny 18 taona, mandritra ny efatra andro.
Tatiana A