Delestazy lavareny : potika ny fihariana madinika

Manimba ny fiharian’ny mpandraharaha madinika ny fahatapahan-jiro maharitra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Mihena ny fidiram-bola, ny faktiora aloa isam-
bolana anefa tsy miova.

Velon-taraina manoloana ny fahatapahan-jiro isan’andro ny olona fa indrindra ireo miasa tena, izay tsy maintsy mampiasa herinaratra hanodinana ny orinasany. Tafidi­tra amin’izany ireo mpanao cybercafé sy multiservice, mpanao volo, mpanety, mpa­nao soudure, poissonnerie . Sy ireo orinasa kely madinika izay miankindoha amin’ ny herinaratra tanteraka. Ankehitriny, potika tanteraka ny fihariana iveloman’ ireo mpandraharaha madinika ireo, anisan’izany ny fanaovana cybercafé. Mihe­na ny fidiram-bola kanefa ny faktiora aloha eny amin’ny orinasa jirama tsy miova na eo aza ny fahatapahan’ny herinaratra mandritra ny ora maro.

“Mavesatra ilay zava-misy, ny faktiora sy ny zavatra ilaina andavanandro tsy miova kanefa mihena ny fidiram-bola”, raha ny fitarainan’ny filohan’ny Associa­tion des cybercafés et internautes de Madagascar” (Acy­bimad), Rakotonirina Rija. Nambarany fa tsy mifanaraka velively amin’ilay fandaharam-potoana fahatapahan-jiro avoakan’ny jirama rahateo ny zava-misy. Mahari­tra tapakandro izany ho an’ny faritra sasany eto andrenivohitra. Ao koa anefa ireo tapaka indroa anatin’ny iray andro izay maharitra ora maro. “Afaka miomana sy mandamina fotoana kosa anefa ireo mpanjifa raha toa ka mifanaraka amin’ilay programa mivoaka ilay fa­hatapahan-jiro”, raha ny fanazavana hatrany. Vokany, voatery mampiakatra ny saran’ny asa amin’ny ankapobeny izy ireo. Ohatra, lasa 100Ar/minitra ny connexion ary tafakatra 500Ar ny fa­naovana impression. Tsy ho voaloan’ny mpanjifa anefa izany, noho ny tsy fisian’ny enti-manana.
Tsy mampidi-bola

Voatery mamoaka vola am-paosy ny sasany amin’ ireo mpandraharaha manana fahafahana manao izany. Misy ireo mampiasa groupe électrogène hanodinana ny orinasa keliny. Ao koa ireo manao izany ho amin’ireo asa vonjimaika. Ankilan’ izay, “misy ireo voatery miandry ny fiverenan’ny herinaratra. Tsy vitsy koa ireo voatery manakaton-tsena noho ny tahotry ny fahasimban’ny entana sy fitaovana isan-karazany”, hoy i Hery, mpitantana cyber, etsy 67ha. Anisan’ny fihariana miroborobo tao anatin’ny fotoana fohy ny cybercafé. Tsy mampidi-bola intsony izany ankehitriny noho ny ankamaroan’ny olona manana smartphone sy afaka mampiasa conne­xion. “Ny multiservice sisa no tena mampidi-bola ho anay ary latsaka ambany ny vola miditra andavanandro, manampy trotraka ihany koa ny delestazy”, hoy hatrany ny filohan’ny Acybimad. Notohizany fa olana hafa ihany koa ny ataon’ireo orinasam-pifandraisana manome ny tolotra “internet” (Fournisseur d’accès internet – FAI) eto amintsika.

Henintsoa Hani

Partager sur: