Ela tsy niaka-tsehatra irery… : manomana seho adiny 4 tsy miato i Lôla

«100% Lôla». Izay ny lohatenin’ny fampisehoana, hanamarihan’i Lôla ny fiverenany an-tsehatra irery. Hotontosaina ny alahady 7 mey ho avy izao, etsy amin’ ny kianja filalaovam-baolin’ ny sekoly Esca Antanimena. «Tsy mbola nisy ny tahaka ity homanina ity. Sambany eo amin’ny tantaran’i Lôla sy ny tariny no hiatrika fampisehoana adiny efatra tsy ankiato. Adiny efatra haha­tsiarovan’ireo mpankafy ny fahazazany sy ny fahatanorany, kanefa hitondranay ihany koa ireo hira vaovao ho mariky ny tohin’ny fiarahana”, hoy ny nambaran’i Lôla.
Tsy latsaky ny 45 ny hira halahatr’i Lôla mandritra izay. Hotetezina avokoa, ny 20 taona mahery nilomanosany tao anatin’ny mozika. Manomboka any amin’ny rakikira voalohany, ka hatramin’ireo faramparany toy ny “Navelanao irery”, “Vary amin-drano”, sns. Samy nampisongadina an’i Lôla na ny gadona mihetsika na ny milamina.

Nirona bebe kokoa ta­min’ny batrelaky ny famoronany, kanefa tsy nahasakana azy tsy nivelatra teo amin’ny mozika izany. Anisan’ny nampiavaka an’i Lôla ny feony mandravaka ny hira mora raisin’ny sofina.

“Fanamby goavana io, hatao araka izay koa ny fanomanana. Ny lafiny artistika, nanampy mpandihy sy mpitendry i Lôla amin’ity indray mitoraka ity. Efa ela izy no tsy niaka-tsehatra irery. Nnifampizara sehatra tamin’ireo namany hatrany. Ity kosa dia seho tokana eto Antananarivo, ho fifalian’ ireo mpankafy Lôla manontolo”, hoy ny nambaran’i Makavelo Gino, anisan’ireo mpikarakara ao amin’ny Mada Co.

Zo ny Aina

Partager sur: