Fifaninanana tononkalo : nahazo ny loka voalohany i Ny Ony

Ny tontolo iainana, araka ny aingam-panahin’ireo mpa­­noratra. Niompana tamin’ny tany sy ny rano ary ny ala ny lohahevitry ny fifaninanana tononkalo izay nentina nanamarihana ny Andro maneran-tany hoan’ny poezia, ny 21 marsa lasa teo. Sanganasa 10 no nosafidian’ny komity mpikarakara, izay natolotra nodinihin’ny mpitsara.
Nivoaka omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Comnat-Unesco, ny valin’ny fifaninanana. Nibata ny laharana voalohany i Ny Ony, tamin’ ny alalan’ny sanganasany, «Tontolo iainantsika». Laha­rana faharoa i Mitsinjo ta­min’ny asa sorany «Arovy ny ala». Fahatelo i Sedera ta­min’ilay tononkalony «Hain­­tany fahavaratra».

Sanganasa manodidina ny 70 no voaray. Samy na­nana ny hanitra ho azy. Sa­hirana ireo mpitsara tamin’ ny fisafidianana. Olobe tsy zoviana eo amin’ny tonto­lon’ny literatiora no nindramin’ny fikambanana Satrana hisahanany fitsarana. An­isan’ireny i Nalisoa Ra­va­li­tera sy Fanja Raza ary Holiharinaivo Ratrimoheri­tompo.

Zo ny Aina

Partager sur: