Halatra omby : dahalo sarona niaraka tamin’ny basy

Voasambotra niaraka ta­min’ny basimborona, marika Baikal Calibre 12 tsy misy taratasy, ny dahalo iray tao Am­batoabo Soaranoninan­droa, fokontany Agnena, kaominina Beahitsy, distrikan’ Ampanihy Andrefana , afakomaly. Nanao hetsika manokana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Sarona niaraka tamin’io basy io ity dahalo ity. Nahitana moara niampy fitaovana fampiasany rehefa ma­nao ny asa ratsiny teny amin’ity dahalo ity. Tra-tehaka teo aminy koa ireo omby 11. Tsy nisy taratasy avokoa iza­ny. Mandray an-tanana ny famotorana ny raharaha ny mpitandro filaminana ao an-toerana hamatarana ny tom­pon’omby.

Tsiferana R.

Partager sur: