Halatra telefaonina : lehilahy matin’ny tora-bato sy biriky

Rangahy voalaza fa nangalatra telefaonina tetsy Amparibe ka matin’ny fitsaram-bahoaka. Any Manjakandriana anefa no hita ny fatiny. Manahy zavatra hafa ny fianakaviana.

Niharan’ny fitsaram-bahoaka ny raim-pianakaviana iray, voalaza fa nangalatra telefaonina, teny Amparibe, anatin’ny boriborintany fahefatra, ny alin’ny alahady lasa teo. “Ni­fanenjehan’ny fokonolona izy ka nitsambikina tao anaty fefy”, hoy ny mpiray tanàna aminy sady nanatri-maso, na­naovan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana. “Raikitra ny daroka niampy tora-bato sy biriky. Tsy nahitana ilay telefaonina voalaza fa nalainy teny amin’io lehilahy io”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. “Nosarihan’ireo nidaroka azy nivoaka ny fefy izy taorian’izay. Efa naratra mafy”, hoy ny fanamafisan’ny mpam­pita vaovao. Taorian’izay, tsy nisy fantatry ny fokonolona intsony ny tohin’ny raharaha. Nisy tamin’ny olona nidaroka, no nampiditra ilay naratra tanaty fiara. Tsy fantatra hoe nankaiza na natao inona?

Nikaroka ny fianakaviany

Rehefa nahare ny zava-nitranga ny fianakaviana, nikaroka ny misy ilay raim-pianakaviana , niharan’ny fitsaram-bahoaka. Nisy ny fitetezana ny hopitaly teto an-drenivohitra, ny hafa nikaroka teny anivon’ny biraon’ny polisim-pirenena sy ny zandary. Ireto farany no voalaza fa niantso an-telefaonina ny ha­van’ilay lehilahy. Izy ireo no nampahafantatra ny alatsinainy maraina tamin’ny fito ora, fa namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly, any Manjakandria­na, ilay lehilahy. “Naharay antso izahay fa namoy ny ainy any Manjakandriana izy”, hoy ny zokiny, Rafamanta­nan­tsoa Rija. Nisy ny fanadihadiana nataon’ny fianakaviana nandritra ny alina, ka fantatra fa fikambanana mpanao haiady no nitondra azy tany.

“Nifampiresaka mivantana tamin’ireo solontenan’ny fikambanana io izahay. Nisy ny fifamaliana teo aminay satria tsy mazava ny anton’ny nitondran’izy ireo ny havanay”, hoy hatrany ny zokin’io namoy ny ainy io.

Efa misokatra ny fanadihadiana, ankehitriny, araka ny nambaran’ny kaomisarian’ny polisy ao an-toerana. “Ana­tin’ny fanadihadiana lalina izahay”, hoy ny mpitandro filaminana nanontaniana.

Tsiferana R.

Partager sur: