Maty voatifitra i Zamena : basilava iray azon’ny zandary

Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny kaominina Etrotroka distrikan’i Farafangana , afakomaly, ny dahalo raindahiny antsoina hoe Arimanga fantatra amin’ny anarana hoe Za­mena. Nahazo antso ny zandary fa misy dahalo maromaro mivory ao Tanambao, fokontany Mahamasy. Nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana ka voamarina tokoa ny fisian’ireo dahalo mikononkonona fanafihana ireo.
Vao nampitandrina ny zandary, lasa nandositra ny olon-dratsy. Raikitra ny fi­fampitifirana. Namaly ireo dahalo, maty voatifitra tamin’izany ny iray. Mbola tratra teny aminy ny basilava vita tanana sy ody ratsy maromaro. Azo sambo-belona nandritra ny fifandonana i José, dahalo raindahiny.
Misokatra, araka izany, ny famotorana ataon’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Fa­rafangana.

Jean Claude

Partager sur: