Mifamahofaho !

Nanomboka afakomaly ny fivoriana ara-potoana voalo­han’ireo Andrimpanjakana roa mpanao lalàna : ny anteni­mierampirenena sy ny antenimierandoholona. Maro ny laha­dinika voalahatra. Betsaka koa ny tolo-kevitra angatahan’ny herivelona rehetra mba ho dinihina. Anisan’ireny ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny firafitry ny vaomiera mahaleotena na ny Ceni. Fikambanana maro no efa manao ady sisika sy serasera mba hisian’izany.  Asian’izy ireo tsindrim-peo manokana ny famatsiam-bola sy ny fangaraharana eo amin’ny vola ampiasana mandritra ny fampielezan-kevitra.
Tsy mbola nisy nanoina izany hatramin’izao satria ny ankamaroan’ny olom-boafidy rahateo efa manana ny firehana sy ny olona ho tohanany. Iaraha-mahalala fa anatin’ny fifandrefesan-kery ny rehetra. Vanimpotoana hanehoana ny volabe sy fitaovana eo am-pelatanana izao ho an’ny mpifanandrina rehetra. Mazava ho azy, sarotsarotra ny hisian’ny ankolafy ho sahy handray ny andraikiny, hanetsika izany resa-bola sy fifidianana izany. Vanimpotoana hitadiavana sy hanangonam-bola rahateo izao ho an’ny mpanao politika sy mpikaramanady. Tsy hadino ny resaka « malety » izay fomba amam-panaon’ny olom-boafidy eto Madagasikara. Vola foana vao miresaka !
Raha ny fivoaran’ny odidina rehetra, tokony ho anisan’ny vaindohan-draharahan’ny mpanao lalàna ny momba ny fifidianana. Tanjona ny fisorohana izay mety ho disadisa mialoha sy mandritra, ary aorian’ny fifidianana. Efa iaraha-miaina sahady ny fifampihantsiana sy ny fisehosehoan’ny antoko na izay mety ho kandidà matanjaka. Efa kianjan’ny fanaratsiana sy ny fiandrasana kendry tohina ny tambajotran-tserasera, ny gazety, ny onjam-peo sy ny fahitalavitra. Eny anivon’ny fiarahamonina, na ny lokon’akanjo aza efa mampiady. Fihetsika heverina ho kely, saingy mampieritreritra ny fivoarany.
Asa, mety hisy ifandraisany amin’izay, ny fivoizana tanaty volana vitsivitsy izay ny mety hisian’ny tetezamita, iaraha-mitantana. Tanjona ny hiarahan’ny mpifanandrina politika manomana ny fifidianana. Raha ny vaovao voaangona hatreto, anisan’ny mirona ho amin’izany ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka vahiny.Ho azy ireo, zava-dehibe ny fisian’ny fifidianana madio sy mangarahara, tsy ho arahina disadisa na korontana. Tsiahivina, idealy ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ireny traikefa tamin’ny taona 2018, ireny. Taiza teto Madagasikara na taty Afrika, no nisy filoha am-perinasa tsy lany, na fihodinana voalohany aza, kanefa tsy mba nikorontana.
Manoloana izany, mifamahofaho ny toe-draharaha politika ! Any amin’ireo mpanao lalàna ny baolina ! Ny Ceni, iaraha-mahalala ny ezaka ataony anatin’ny tsy fananam-bola ! Mbola miandry ihany koa.

r.r

Partager sur: