Nampamono ny vadiny: nidoboka am-ponja ilay raim-pianakaviana

Naiditra am-ponja , afakomaly , ilay vady nahavanon-doza sy ny olona efatra nahavita namono ny renim-pianakaviana iray tao Antanety, fokontany Ambohitratsimo, Kaominina Andranomiady, distrika Faratsiho.

Mifamaly matetika izy mivady. Nanapa-kevitra ilay rangahy fa haniraka olona hamono an-dramatoa andefimandriny. Ny 19 avrily, hita faty tao amin’io kaominina io ihany ilay ra­matoa 52 taona.

Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary. Voa­sambotra ilay raim-pianakaviana, niampy olona efatra. Niaiky izy fa ati-doha namono ny vadiny. Nirahiny tamin’ny fanaperana ny ainy kosa ny rahalahiny sy ny namany. Niantso ny sefom-pokontany izy roa lahy nahavanon-doza ka nilaza ho nahita fatim-behivavy mitsirara. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia voaporofo fa anisan’ny namono ilay vehivavy izy reo. Mbola niampy lehilahy roa hafa ny voasambotra. Izy ireo indray no nandamina ny paikady rehetra. Nahamora ny famotorana ny fifampiapangana teo amin’ireo nahavanon-doza.
Niakatra fampanoavana, afakomaly ny raharaha. Ni­doboka am-ponja avokoa ireo dimy mirahalahy voasaringotra tamin’io vonoan’olona io.

Tsiferana R.

Partager sur: