Nihena ny isan’ny mpihinana isan’andro eny amin’ny toeram-pisakafoana noho ny fiakaran’ ny vidiny. “Tsy maintsy nampiakarina izany ialana amin’ny fatiantoka.”, hoy ny mpivarotra.
Niakatra ny vidin-tsakafo eny amin’ny toeram-pisakafoana eto an-drenivohitra tao anatin’ny herinandro maromaro. Antony, lafo ny akora fototra. 5 ka hatramin’ny 10% ny fiakarana, arakaraka ny toerana sy ny karazan-tsakafo haroso. “Ny vidim-bary sy ny legioma ary ny hena no tsy maintsy nanamboarana ny vidiny”, hoy ny mpikarakara sakafo eny Ankorondrano sy Analakely. Tao anatin’ny roa volana, 1000 Ar ny sondro-bidy teo amin’ny kilaon’ny vary. “Tsy manafangaro ny vary nafarana (stock) sy ny vary vokatra eto an-toerana izahay fa ny fatran’ny vary eny ambilia no nahena tsy hamono antoka anay”, araka ny nambaran’ny tompona “gargotte” iray.
Nihena koa ny isan’ny mpihinana mahazatra tonga isaky ny maraina sy ny atoandro. Aleon’ny olona mitondra sakafo masaka avy any an-trano na mihinana mofo sy composé fa tsy takatra intsony ny vidin’ny vary iray lovia. Manodidina ny 6 000 Ar ka hatramin’ny 8 000 Ar ny vary sy laoka masaka iray vilia.
Ireo mpikarakara sakafo manofa trano no mahatsiaro ho tena sahirana satria tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. “Indraindray nefa fivelomana mahazatra an-taonany maro tsy azo hajanona.”, hoy hatrany ireo mpivarotra nanontaniana.
Fararano izao, manantena ny mpahandro fa hihena ny vidin’ny vary vokatra eto an-toerana. Efa nidina kely ny vidin’ny legioma sy ny tongolobe eny amin’ny tsenam-pokontany. Tsy maharaka ny fiakaran’ny vidim-piainana, indrindra ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro, ny karama isam-bolana.
Vonjy