Prix Paritana andiany fahafito : voahosotra ho mpandresy i Ashiko Ratovo

Ny zava-misy hita eny rehetra eny no anisan’ny aingam-panahy nanosika, hanao ny tetikasa ary hampiditra azy ho anisan’ny mpifaninana amin’izao fifaninanana izao, araka ny nambaran-dRatovo Ashiko.

Nampahafantarin’ny mpikarakara azy ny mpandresin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahafito. Ny “Prix Paritana” izay tetikasan’ny Fondation H, hanohanana ny mpahay kanto malagasy sy vahiny monina eto Ma­da­gasikara, amin’ny alalan’ny fifaninanana fanaovana tetikasa momba ny haikanto amin’ny endriny rehetra. Miditra amin’ny andiany fahafito ny fifaninanana amin’izao. Ratobison Rato­vo­hery Toavina Joelle na Ratovo Ashiko no voafidy ho mpandresy tamin’ity an­diany fahafito ity. “Tsy manan-kialofana” io no tetikasa nentiny nifaninana tamin’izany. Tetikasa maneho an-tsary ny zava-misy iainan’ny olona ankehitriny, indrindra ny tsy manan-kialofana.

Naharitra telo volana no namolavolana ny tetikasa. Ezaka sy fiaretana maro no nahafahana nanatanteraka izany. Ny fahitana ny zava-misy, miantraika amin’ny tontolom-piainan’ny zanak’olombelona no nampametra-panontaniana ahy, araka ny nambarany. Nanomboka teo no nihevitra ny mety hahafahana maneho sy mampita izany izy. Ny fifaninanana “Prix Paritana”, nokarakarain’ny Fondation H , no noheverina ho fanararaotana lehibe ahafahana maneho sy mampita izany.

Tombontsoa sy tohana maro no ho azon’ny mpandresin’ity fifaninanana ity. Ho an’ny laharana voalohany, tohana 3000 euros, ahafahany manatontosa ny tetikasany. Ankoatra izay, misy ihany koa ny fivahinianana telo volana, any amin’ny Cité des Arts any Paris, sy fanaovana fampirantiana any Paris sy eto Madagascar, izay iantohan’ny mpikarakara tanteraka ny fanatanterahana azy.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: