Vehivavy mpahay tantara, mpampianatra mpikaroka any amin’ny oniversite Toliara, Rtoa Tandrina Suzanette Alphonsine. Manana fijery mazava tsy mitongilana izy mikasika ny raharaha Base Toliara. Aminy, anjaran’ny fanjakana tanteraka ny manapa-kevitra mikasika azy, fa tsy tokony hijerena ny mpomba na ny mpanohitra ny tetikasa. «Efa fantatra ny tombontsoa entiny, koa inona ny sakana na ny olana amin’izany ?», hoy izy.
Ho azy, «fahasoavana lehibe ny fisian’ny fasimainty any an-toerana. Anjarantsika ny miezaka, hampiroborobo ny harena voajanaharintsika, fa tsy tokony hionona amin’ny fambolena madinika». Orinasa iraisam-pirenena vaventy voalohany any Atsimo Andrefana ny Base, izay hiteraka asa maro ho an’ny mponina.
Vehivavy manam-pahaizana niresaka voalohany ity tetikasa Base ity Rtoa Tandrina Suzette. «Manan-janaka aho, tokony hianatra. Mila fari-pahalalana sy fahaizana manokana ny asa vaovao omen’ity orinasa ity», hoy izy. Eo an-tokonana ny fandrosoan’Atsimo Andrefana. Efa nisy ny fanofanana ny tanora teto Toliara sy tany ivelany.
Hitombo ny vola miditra
Aminy, mila mamokatra bebe kokoa ny mpamboly sy ny mpanjono, satria hitady any amin’ny toeran-kafa ny orinasa vaventy Base raha tsy ampy ny filany. Hitombo ny vola miditra amin’ny mponina, noho izany. Ho an’ ny orinasa rehetra te hiasa any an-toerana ny mijery sy mahafantatra ny tena fampandrosoana andrasan’ny mponina, fa tsy ho an’ny Base ihany.
Ankoatra izany, nomarihin-dRtoa Tandrina Suzanette, fa midadasika ny vahilava any Andaboy. Fiantsonana, izay tena kely ny habeny, no hataon’ny Base Toliara eo fa tsy seranan-tsambo. Koa tsy misy mihitsy ny fandrarana ny olona hivezivezy na hitsangatsangana eny. Nofintininy, fa tokony norarana hatrany am-boalohany tsy higadona aty Madagasikara ity tetikasa ity, raha nisy ny ahiana taminy. Niaingaviana koa ny tokony hanohizan’ny Base ny asa sosialiny hitsinjovana ny mponina. Efa nisy fampianarana nanamboatra savony, fambolen-kazo, famatsian-drano, sns, nataony fony mbola tsy nahantona ny asany.
Njaka A.