Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Hetra (DGI) Germain, omaly, ireo tanora mpandraharaha miisa 15, mikambana ao amin’ny Malagasy Youth Business Meeting (MYBM). Fihaonana nokarakarain’ny fandaharanasa Fihariana, mba hamantaran’izy ireo bebe kokoa ny tontolon’ny hetra.
Nilaza ny tonia mpanatanteraky (SE) ny Fihariana, Rtoa Zafindravaka Valérie, fa nandritra ny fanazavana vao nahafantatra izy sy ireo tanora, fa efa misy tokoa ny fepetra fanamaivanana ny hetra. Nambaran’ny DGI fa noraisina koa ny hetahetan’ ireo tanora, ary hojerena, mba hoentina manatsara ny fampiroboroboan’ireo tanora ny asa fihariana avy.
Nanamafy ny SE-n’ny Fihariana, fa anisan’ny vokatra andrasana ny hisian’ny fahazotoan’ny tanora handraharaha sady handoa hetra. Mandraharaha amin’ny sehatra samihafa izy ireo, toy ny fambolena, ny fiompiana, ny indostria, ny tontolo iainana, sns. «Santatra ity fihaonana tamin’ny DGI ity, fa hisy koa hiarahana amin’ny fitantanana hafa amin’ny herinandro ambony. Anisan’ izany ny ao amin’ny fadintseranana, ny fambolena sy ny fiompiana, sns», hoy ihany izy. Efa noraisin’ny filoha Rajoelina ireo tanora ireo, tamin’ny 17 avrily teo, teny Iavoloha.
Njaka Andriantefiarinesy