Tetikasa Asa Avotra Mirindra : tokantrano 117.000 manatsara ny famokarana

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Haraton’Aina ny Asa Avotra Mirindra. Tokantrano 117.000 amin’ ny faritra 11 sy distrika 23 ary kaominina 206 no misitraka izany. Mampihatra ny fomba fambolena sy fiompiana moderina sy haingam-pitombo ny 60%-n’ireo misitraka.

Mahatratra 1.100 ha ny velarantany nohatsaraina sy nampidirana rano ka hahafahan’ireo tantsaha mamboly sy mivelona. Mirefy 2.300 ha kosa ny velarantany voavoly hazo tamin’ny ezaka nataon’ireo mpisitraka. 6.230.000 isa ny zanakazo novolena tamin’izany;
Misy koa ny tan-tsoroka samihafa nahafahan’ireo mpisitraka namorona asa mampidi-bola sy vondrona mifampindram-bola ary na­m­piroborobo ny fototra ma­ha olona.
Tanjon’ny tetikasa Asa Avotra Mirindra ny famoronana fototra famokarana sy fanatsarana ny fahaiza-mamokatra ho an’ireo ankohonana marefo. Eo koa ny fampiatiana ireo misitraka ao anatin’ny sehatra famokarana. Lehibe indrindra koa ny fanovana endrika ny tontolo manodidina ho an’ny fandrosoana lovainjafy.

Mahazo 6000 Ar, taka­lon’ny asa, 5 ora isan’andro, ireo mpisitraka. Maharitra 80 andro isan-taona ny asa atao amin’izany. Niakatra hatrany io vola nomena ny tantsaha io ka nanomboka 3.000 Ar izany tany amin’ny taona 2016 niantombohan’ ny tetikasa.

Tatiana A

Partager sur: