Manomboka midina tsikelikely ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao, raha tafakatra hatramin’ny 4.200Ar ny kilaon’ny vary gasy teo aloha teo. Efa tafiditra anatin’ny vanim-potoana fararano sy ny fiakaram-bokatra isika amin’izao, antony mahatonga ity fihenana ity. Ankehitriny, manodidina ny 2.300Ar ka hatramin’ny 3.400Ar ny kilaom-bary eny an-tsena. Nilatsaka 200 Ar isaky ny kilao izany raha oharina amin’ny vidiny teo aloha. “Nanomboka tamin’ ity herinandro ity io fidinan’ ny vidim-bary io. 2.900Ar izao ny kilao angalanay vary makalioka eny amin’ny tsenan’Anosibe. Maka 100 Ar isaky ny kilao izahay. Hatreto dia vary avy any Ambatondrazaka, Manalalondo no amidinay noho izy ireo be mpitady sy zakan’ny fahefan’ny mpanjifa”, hoy ny fanazavan’ny mpivarotra iray.
Henintsoa H.