Misaona ny tontolon’ny baolina lavalava maneran-tany. Nindaosin’ny fahafatesana, tany Louit, ao Hautes-Pyrénées, ny talata lasa teo, i Bernard Lapasset, filohan’ny federasiona frantsay sady mpitantana ny federasiona iraisam-pirenena “World rugby”. Ny aretina efa nitaiza azy nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany teo amin’ny faha-75 taonany. Anisan’ny mpitantana nanamarika ny tontolon’ny fanatanjahantena frantsay Itompokolahy. Izy no nahazoan’i Paris, hampiantrano ny lalao Olympika amin’ny taona 2024. Izy no namerina ny taranja rugby, hiadiana medaly volamena, amin’izany fihaonana maneran-tany izany. Nitondra ny federasiona frantsay , taranja rugby, izy nanomboka ny taona 1991 hatramin’ny 2008. Taorian’io, lany hitantana ny federasiona iraisam-pirenena “World rugby” hatramin’ny 2016.
Nahatsiaro ho very olomanga ny rugby maneran-tany sy ny vahoaka frantsay, amin’izao nahalasanan’i Lapasset izao. Samy naneho ny alahelony avokoa ireo tomponandraikitra ara-panatanjahantena. Anisan’ireny, i Tony Estanguet, filoha mpikarakara ny lalao Olympika.
Tompondaka