Valifaty! Tsy fahazakana zava-mahadomelina mahery vaika! Tovolahy iray 16 taona antsoina hoe i Nahoma Sitrakiniaina no notsatohana dimy lahy antsy teo amin’ny vavany teny Ambohibarikely Anosibe , ny talata hariva teo.
Nampivarahontsana ny fahitana ny zava-misy satria nitsatoka teo amin’ny vavany sy ny orony ny antsy ka mbola niraikitra teo mihitsy aza izany tamin’ny fotoana nahitana azy. Mpiasa mpanampy, manamboatra fiangonana iray eo Anosibe izy ka avy nirava niasa ary hody tao an-tranony toy ny fanaony isan’andro. Nivoaka niaraka tamin’ny namany iray teo amin’ny arabe anefa izy no nipoitra avy any ireo dimy lahy niaraka tamin’ny antsy. Nodarohan’ireo olon-dratsy ilay namany ka niaro azy i Sitraka. Notsatohan’ireo jiolahy antsy anefa izy tamin’io fotoana io. “Teo amin’ny tendany no nokendreny saingy afa-niala izy ka nisolifatra tany amin’ny vavany ny lohan’antsy”, hoy i Harisoa Stella Justine, renin’ilay tovolahy namany niaraka taminy. Nohamafisin’ity renim-pianakaviana ity hatrany fa avy nirava niasa izy tamin’io fotoana io. Lasan’ireo jiolahy ny vola 40 000 Ar niaraka tamin’ny finday. Horakoraka, ranomaso ny an’ireo fianakaviana tao an-trano nahita ny zava-nanjo azy.
Fantatra ny iray amin’ireo mpanafika…
Nambaran’ny fianakaviany fa fantatr’i Sitraka ny iray amin’ireo nidaroka azy. “Hatreto aloha tsy fantatra mazava ny anton’izao vono sy ratra mahazo ny zanakay izao fa efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny polisy misahana ny heloka bevava. Aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra momba ity raharaha ity”, hoy hatrany ny fianakaviany. Nilaza anefa izy ireo fa tsy manana olana amin’ny fiarahamonina fa miaina toy ny olona rehetra fa nahavariana ny fisian’ity herisetra nihatra tamin’i Sitraka ity. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly HJRA ilay niharam-boina, saingy tsy mbola azo nesorina ny antsy raha tsy tonga ny polisy nanao ny fanadihadiana rehetra. Efa nozairina ny ratra nahazo azy ka efa tsy ahina intsony ny fahasalamany raha ny fahitana azy, omaly tolakandro. Mandry andriranantsy ny fianakaviany manoloana izao herisetra nahazo ity tovolahy ity izao ka mangataka amin’ny mpitandro filaminana mba hijery akaiky iny Anosibe sy ny manodidina iny.
Jean Claude