4 000 ny isan’ny trangana aretina mamany lava voatily isan-taona , eto Madagasikara. Hisy ny
hetsika manokana hanampiana azy ireo.
Vehivavy saro-piterahana mila fandidiana (césarienne) nefa tsy nanao izany, noho ny antony maro ka niteraka ny faharovitan’ny tatavia no mivadika ho mamany lava. Mivalan-drano tsy voatana intsony izy ka miteraka fofona ratsy, mitarika ny fanilikilihan’ny fiarahamonina sy ny fianakaviana. Azo tsaboina amin’ny alalan’ny fandidiana ny aretina mamany lava ka rehefa tsotra ny tranga, 99% ny taham-pahasitranana aorian’ny fandidiana. Ho an’ny tranga sarotra, 60% kosa ny taham-pahasitranana ary indraindray inenina miatrika fandidiana ilay vehivavy, hoy ny manam-pahaizana momba ny fitsaboana ny taovam-pivalanandrano sy ny taovam-pananahan’ny lehilahy, profesora Rantomalala Yoel, omaly, teny Anosy.
13 ny hopitaly mandidy ny aretina mamany lava eto Madagasikara ary 1172 ny vehivavy niatrika fandidiana ny taona 2022. Sarotra ny fitadiavana ireo vehivavy tratran’ ny aretina sy mandresy lahatra azy ireo hoentina eny amin’ny hopitaly hotsaboina. Matetika miafina sy monina amin’ny toerana saro-dalana izy ireny, hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana Opération fistule izay midina ifotony.
600 dolara ny sarany
Hisy hetsika maimaimpoana fandidiana vehivavy tratran’ny aretina mamany lava, eny amin’ny hopitaly Sainte Fleur, manomboka ny 8 hatramin’ny 18 mey ho avy izao. 25 (16 ka hatramin’ny 50 taona) ireo hodidiana. Hiantohana ny saram-pitaterana hatramin’ny fodiana eny amin’ny tokantrano, aorian’ny fandidiana. Manodidina ny 600 dolara eo ho eo ny saran’ny fandidiana vehivavy iray mamany lava raha tsy misy ny mpiray ombon’antoka manohana.
Hanampy amin’ny fandidiana ny manampahaizana avy amin’ny Ordre de Malte. Hifanotrona amin’ny malagasy mpitsabo, hoy ny talen’ny hopitaly Sainte Fleur, Philippe de Lepinau. Manome ny kojakoja rehetra ilaina amin’ny fandidiana ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny mponina (Unfpa).
Rehefa vita ny fandidiana anatin’ny hetsika manokana ao amin’ny Sainte Fleur, mitohy hatrany ny fandraisana ny aretina mamany lava ao amin’ny HJRA.
Vonjy A.