Masomboly tsara kalitao misy ireo singa sy otrikaina mitondra fahasalamana sy mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro. Ireo no tanjona napetraky ny tetikasa Foodsec Semence entina hanatsarana ny seha-pambolena sy famokaran’ireo tantsaha.
Anatin’ny fanatsarana ifotony ny lalam-pihariana famokarana sy ny fampitomboina ny mpamokatra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Misy, arak’izany, ny tetikasa « Foodsec Semence » izay mifototra amin’ny fanadihadiana momba ny seha-pambolena, ny filan’ny tantsaha ary ny masomboly mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny fiovan’ny toetr’andro. Manatanteraka ny tetikasa eto amin’ny faritra Analamanga sy Vakinakaratra ary Itasy ny Foibe fikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ambanivohitra (FOFIFA). Nifantoka tamin’ ny voly mangahazo, katsaka, sy ovy ary tsaramaso ny fanadihadiana natao.
Nisy ny atrikasa natao teny Ampandrianomby, omaly, nitondrana ny vokatra azo, nandritra ny roa taona niasan’ny tetikasa. Eo koa ny fanamby napetraka ho amin’ny taona manaraka. Voalaza nandritra izay ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra ho lalam-pihariana matihanina. Tanjona ny hamantatra ny filan’ny tantsaha sy ny hampitombo ny vokatra azo. Mba ho masomboly tsara kalitao misy ireo singa sy otrikaina mahavelona rehetra izany. Fanamby rahateo ny fahavitantena ara-tsakafo sy fanatsarana ny fambolena. Eo ihany koa ny fahazoana vokatra afaka hiatrika ny fiovan’ny toetr’andro.
Miara-misalahy
Nojerena tao anatin’ny tetikasa avokoa ny filana sy ny hetaheta ary sakana sedrain’ireo tantsaha mpamokatra. Manolona izany, miara-miasa ny mpisehatra isan-tsokajiny ahitana ny vahaolana. Tsy hijanona eny anivon’ny toeram-pikarohana sy ireo mpanao fanadihadiana ny zava-misy. Hampahafantarina ny tantsaha ny voka-pikarohana natao hanatsarana ny fambolena sy ny vokatra. “Fototry ny fambolena ny masomboly. Arak’izany, mila fantarina ny fomba atao mba hisitrahan’ny tantsaha ny masomboly mifanaraka amin’ny filana amin’izao fotoana sy mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro”, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Raharinomena Fanja. Notohizany fa isan’ny paikady atao amin’izany ny manaparitaka ny masomboly eny ifotony. Ampahafantarina an’ireo tantsaha ihany koa ny masomboly mivoatra sy mifanaraka amin’ny filan’ny faritra tsirairay ary ny toe-tany mifanaraka amin’izany.
Henintsoa Hani