Nisokatra omaly, eny amin’ny tokontany malalaky ny Malagasy professionels de l’élevage (MPE), eny Nanisana, ny tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (Foire de l’élévage et de production animale). Haharitra efatra andro izany. Hita eny an-toerana ny ankamaroan’ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana. Torak’izany ny fampitaovana ilaina. Mampiavaka ity andiany faha-14 ity,ny famaliana ny hetahetan’ireo mpandray anjara. Misy ny fanentanana isan-karazany sy ny toerana natokana ho an’ny ankizy, rahampitso.
“Tanjona napetraka ny hitondra fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana indrindra ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Eo koa ny fanaparitahana ny teknika moderna momba ny fiompiana ary ny fanakaikezana sy fifaneraserana amin’ireo mpisehatra momba izany”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny MPE, Randrianarimalala Rojo. Notohizany fa misy ny lalao izay hahazoana loaka goavana “billet aller-retour” mandeha any Nosy Be ho an’olon-droa sy ny lelavola mitentina 1 tapitrisa Ar, ondry matavy be iray ary loka maro samihafa.
Henintsoa H.