Hanomboka anio, etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andiany fahatelo, amin’ny SESAM (Sport extrême et salon des Arts martiaux). Raha ny fandaharam-potoana, amin’ny 9 ora sy sasany ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, iarahana amin’ireo olo-manankaja, aorian’izay, misokatra ny hetsika, izay amin’ny 6 ora hariva vao hifarana, isan’andro. Ny SEHO no mpikarakara ny hetsika, nambaran-dRatsimiseta Tsiry, tomponandraikitra avy ao aminy fa efa milamina ny zava-drehetra, omaly, no samy nametraka ireo tranoheva hanaovana fampirantiana izy ireo. Nomarihany, maro ireo Dojo namaly ny antso tamin’ity, ahitana ny avy ao amin’ny Aikido, Karate, Taichu, Ninjutsu, Kung-fu, Jun Fan Jeet Kune Do, Hartema, Taekwondo, Kuk Sool, Self Defense, Jiu Jutsu, Mma, Wing Chun. Ankoatran’ny fampirantiana ny arts martiaux sy ny sports extremes , hisy koa ny challenge ho an’ny public, mandritra ny hetsika. Tanjon’ny mpikarakara, ny hitaiza ny tanora tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina, ary mba hanana discipline ao anatin’ny arts martiaux sy ny sport extremes. Nisy ny lesoka nandritra ireo andiany roa teo aloha, hoy hatrany i Tsiry, ezahana ho tsara arak’izay tratra kosa ny amin’ity andiany fahatelo ity. Hiavaka koa ny fisian’ny démonstration iraisan’ny arts martiaux sy ny Sports extremes, ankoatra ny fampisehoana mitokana asehon’izy ireo tsirairay avy. Ho an’ny sports extremes hatrany, ho tonga handray anjara amin’ilay fifaninanana « Trial, Skate, Parcours » ny avy any Toamasina sy Antsirabe. Hahazo loka goavana moa ny mpandresy amin’izany. Mirary ary natao sahaza ho an’ny rehetra ny vidim-pidirana (2000 ar). Ankoatra ny fitsidihana ireo tranoheva, afaka mianatra self defense ihany koa ny mpitsidika eny an-toerana. Hisy fitaovana ara-panatanjahantena hamidy mandritra ny hetsika, miaraka amin’ ny fanentanana maro isan-karazany koa eny an-toerana.
Mi.Raz