« Tribute to Bodo », seho hanomezam-boninahitra ity mpanakanto ity, izay ao anatin’ny fankalazana ny 35 taona niakarany an-tsehatra. Mpanakanto mpihira sy mpitendry maromaro no voafidy handray anjara.
Hotontosaina ny alahady 7 mey ho avy izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny CCEsca Antanimena ny « Tribute to Bodo ». Tetikasa iray anatin’ny fanamarihana ny faha-35 taona an-tsehatr’i Bodo ny seho. Handray anjara amin’izany ny tanora mpanakanto am-polony, ahitana an-dry Yrinaf, Lovatiana, Ayam, Safiid, Betia, Nate Tex, Mr Sayda, Lucas, Steph Rambi ary Mendrika ny eo amin’ny fihirana. Eo amin’ny mpitendry kosa ahitana an’i Njaka (vata maroafitsoka), Tiana (vata maroafitsoka), Josia (amponga maroanaka), Hents (gitara beso), Joro (gitara), Andry Mika (saxophone) ary Miantsa (trompette). Nanome toky fa sady hanaja ny hira no hanome ny kanto avy amin’izy ireo ny mpanakanto raha nanontaniana ny ho fizotry ny seho.
Raha tsiahivina, “Lany ny mosoarako raha nanatrika indray mandeha ny famerenana nataon’ireto mpanakanto ireto. Tena nanohina be ahy ny ataon’ireo ankizy, amin’ny fomba fanajany ny hira kanefa hitondrany koa ny maha izy azy. Manana ilay toe-panahy azy manokana izy ireo kanefa tena manaja be ilay hoe Bodo, ary raisiko ho voninahitra lehibe izay homena ahy izany.Izaho antsoinareo hoe “diva” kanefa mipoa-tsatroka amin’ireto ankizy ireto aho”, hoy ny nambaran’i Bodo, raha nitafa tamin’ireo mpiserasera aminy, tao anaty tambajotra “Facebook” izy, omaly.
Raha ny fizotran’ny fampisehoana, samy hisafidy hiran’i Bodo izay hataony ireto mpihira ireto. Hisy ny ampaham-potoana ho an’ny fampiaraham-peo. Hisy koa ny hira hataon’i Bodo irery.
Hoy ireo mpanakanto tanora:
Steph Rambi (mpihira): “Raisiko ho voninahitra lehibe ny fandraisako anjara amin’ity seho ity. Ny hira izay nataony dia tsara sy kanto. Hanome izay azoko hatao tsara indrindra koa aho, tsy hanaratsy ny hira sanatria…”
Safiid (mpihira, tao amin’ny tarika Isa Roa Telo): “Nahazo antso hoe hisy “Tribute to Bodo” dia tena faly hoe handray anjara satria efa mpankafy azy efa ela. Efa nazava tato an-tsaiko ny hira hataoko…”
Betia (mpihira, mpamoron-kira mpilalao an-tsehatra): I Bodo no mpanakanto tiako indrindra. Ny seho nataony tao amin’ny Roxy, niaraka tamin’i Lalie, no nojereko voalohany. Hataonay amin’ny fombanay fa tsy hosimbanay ny hiran’i Bodo, hanomezanay voninahitra azy”.
Lovatiana (mpihira): Voninahitra lehibe ho ahy ny voaantso anatin’ity tetikasa ity. I Bodo no modely amiko eo amin’ny mozika. Be ny azo alain-tahaka aminy satria anisan’ny sangany izy”.
Yrinaf (mpihira): Mety hoe ny mozika jazz no hahafantarana ahy kokoa, kanefa i Bodo dia anisan’ny mpihira tiako indrindra hatramin’ny mbola kely. Faly be aho fa lasa namako izy taty aoriana. Hitondra izay mety ho kanto aty amiko aho hanomezam-boninahitra azy
Nate Tex (mpihira): Nanaiky handray anjara aho satria na tsy nantsoina aza dia nandondona tany an-tranony tany aho hidongy hoe izaho koa mba hanao… Teo foana i Bodo nandritra ny carrière-ko. Anisan’ireo olona voalohany nahatoky ahy izy fony mbola tany anaty fifaninanana nandraisako anjara. Hataoko fisaorana ho azy raha izay no kely vita…”
Mr Sayda (mpihira): “Faly aho izao hoe anisan’ny mpandray anjara. Ho tombony ho an’ireo hijery ny fampisehoana ny hahalala hoe ahoana ny hanaovan-dry zalahy ireto ny hiran’i Bodo?”
Nangonin’i Zo ny Aina