Notokanana, omaly, teny Ivato, ny biraon’ny fadin-tseranana nohavaozina, ny Foibe fanaraha-maso ny famoahana entana. Ahitana ny fitaovana avo lenta, manaraka ny teknolojia maoderina amin’ny lafiny ladoany.
Hanafaingana ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ny famoahana entana ny fisian’ity fotodrafitrasa ity, satria hihena ny fotoana lanin’ny mpanjifa. Nilaza ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana, Lainkana Zafivanona Ernest, fa mitodika mankany amin’ ny fanavaozana manaraka ny toetrandro ny ladoany, entina hanatsarana ny tolotra omena, hikarakarana ny mpanjifa, amin’izao 200 taona nisian’ny ladoany malagasy izao. Miisa 31 ny tetikasa napetraka, ao anatiny ny lafiny fotodrafitrasa, ny fanofanana ny mpiasa, ny fanapariahana any amin’ny faritra misy ny ladoany. Efa vita ny fanavaozana ny Ivontoerana famoahana entana any Toamasina, ary fanindroany ity eny Ivato ity. «Efa tanteraka ny 45%-n’izy ireo, ankehitriny», hoy ihany izy.
Fiaraha-miasa amin’ny oniversite
Anisan’ny paikadin’ny haban-tseranana malagasy koa ny fivelarana amin’ny sehatra samihafa, toy ny eny amin’ny anjerimanontolo. Natao sonia, omaly , ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny Sampam-piofanana Hay Toekarena, Hay Fitantanana, Hay Fiarahamonina (EGS) teo amin’ny DG, Lainkana Zafivanona, sy ny Sojaben’ny EGS, Andriamahefazafy Fano. Nisy koa ny famelabelarana narahina ady hevitra. Nilaza ny DG-n’ ny ladoany, fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny oniversite satria izy ireo no tena misehatra amin’ny lafiny fikarohana. «Aoka mba hifantoka amin’ny asam- panjakana ny fikarohana ataonareo mpianatra», hoy izy.
Ho an’ny Sojaben’y EGS, efa manatsara ny tolotra fianarana izy ireo, ka isan’izany ny nametrahana ny sampampianarana fifehezana ny tsena iraisam-pirenena sy ny ladoany. Efa misy koa ny fiaraha-miasan’ny haban-tseranana ny oniversite Fianarantsoa.
Njaka Andriantefiarinesy