ACS: “Tsy fizarana seza ny Tetezamita, raha… “

“Raha ny rivotra mitsoka amin’izao, mankany amin’ny Tetezamita. Eo ny fanapahan-kevitry ny FFKM hanao fi­ha­onambe. Zava-dehibe izany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Fikambanan’ny CST sy loholona teo aloha (ACS), ny Dr Andriamaholison Jules, teny Antaninarenina, omaly. Raha tsy maintsy ho tonga amin’ny Tetezamita, tsy hizarana seza izany. Ny governemanta hajoro eo, ho an’ny firaisamonina sivily. Eo ny sendika. Tsy miandany izy ireo ary ma­nampahaizana. Tsy haharitra ny Tetezamita, fa tokony ho vita amin’ny herintaona.

Tsy ny lalàm-pifidianana ihany no tokony hohavaozina, fa ny lalàna rehetra efa lany andro : ny lalàmpanorenana, ny lalàna momba ny politika. Eo amin’ny toekarena, ra­isin’ny fanjakana an-tanana ireo seha-pamokarana saro-pady toy ny angovo, fitrandrahana sy fivarotana ny volamena sy ny vato sarobidy. Ny fananganana banky fampandrosoana; ny fanampiana ny tantsaha amin’ny fitaovana, ny fanafoanana ny tsenam-bola Mid…

Manolotra masontsivana

Zava-dehibe eo amin’ny fiainam-pirenena ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Koa manolotra ny tokony ho toetry ny olona ho amin’izay ny ACS. Didy fito no mamaritra izany ka olona matahotra an’Andriamanitra, hampihatra ny fahamarinana, manaja ny lalàna velona, vonona hampandroso amin’ny fitrandrahana harena voajanahary, tsy hangalatra sy tsy hanodinkodina ny volam-bahoaka ary tsy hanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, tia sy mandala fihavanana, mampihatra ny fitsinjaram-pahefana tena izy.

R. Nd.

Partager sur: