Ampahateza – Ambohipo : telo lahy hita tao anaty sahan-drongony

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahefatra (CSP2), Ambohijatovo Ambony, teny Ampahateza/Ambohipo, omaly tamin’ny 8 ora maraina, ny jiolahy efatra voarohirohy ho mamboly sy midoroka ary mivarotra zava-mahadomelina.

Nahazo loharanom-baovao ny polisy miandraikitra iny faritra iny fa misy olona mamboly zava-mahadomelina eny amin’iny faritra Ampahateza iny. Nidina teny an-toerana nanamarina momba ny fisian’ireo jiolahy mamboly rongony ireo ny polisy.

Hita tao anaty sahan-drongony tokoa ry zalahy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy teny an-toerana. Fototra rongony10 no hita tao amin’ilay saha ka nongotan’ny polisy avy hatrany. Tovolahy iray hafa tratra teo am-pidorohana, mbola nahatrarana iray tanana teny aminy, nandritra ny fisamborana sy fisavana azy.

Enin-dahy koa nahatrarana rongony 13 kg

Enin-dahy koa indray voasambotry ny zandary tetsy Mahitsy , omaly. Tratra niaraka tamin’ny rongony ravina tanaty harona plastika fito, tao amin’ny fokontany Ambo­divary sy Antanetilava. Na­haray loharanom-baovao, ni­dina ifotony ny mpitandro filaminana. Sarona ireto tanora vao erotrerony ireto. Nahitana rongony 300 fonosana koa tao amin’izy ireo. Natao famotorana, mivarotra sady midoroka ireto voasambotra ireto. Nosavaina ny trano ka mbola nahitana rongony hafa tao anaty gony. Natotaly, nahatratra 13 kg io rongony io. Nentina natao fanadihadiana ireo enina mirahalahy. Hatolotra fampanoavana izy ireo aorian’izay.

Andrasana ny tohin’ny raharaha. Raha tsiahivina, vao ny fiatombohan’ny herinandro teo no nahasamborana tanora am-polony mpitsindrona rongony mahery vaika tao amin’ny distrikan’Am­bohidratrimo.

Jean Claude/Tsiferana R.

Partager sur: