Teny filamatry ny fitsarana malagasy ny hoe fialofan’ny marefo. Raha vao miditra ny Lapan’ny fitsarana dia izay no mitsena. Toa miakatra ho azy ny moraly. Velom-panantenana izany ireo olona an’arivony isan’andro, tonga eny amin’ny tribonaly. Iza tokoa no tsy ho sodokan’izany fehezanteny izany? Indrindra ireo efa iharan’ny tsindrihazolena sy ny tsy rariny eny anivon’ny fiarahamonina sy ny eny amin’ny mpanao famotorana sy ny mpaka am-bavany. Iaraha-mahalala fa sehatra iray anisan’ny anjakan’ny kolikoly rahateo ireto voalaza farany.
Manoloana ny zava-misy ankehitriny, mipetraka anefa ny fanontaniana : tena ho an’ny marefo tokoa ve? Tsy anjarantsika no hitsara izay mpitsara sy tontolon’ny fitsarana. Ireo tranga sy zava-misy amin’izao dia ampy hilazana azy. Taiza teto Madagasikara, hatramin’izay 60 taona nahazoana ny fahaleovantena izay no nisy olona avy tsaraina, voaheloka asa an-terivozona, ka tsy voasakana hanao fanambarana amin’ny hainao vaky jery? Mahavita manohitra mpiandry fonja ny fianakaviana. Tsy hiditra lalina amin’izay vontoatin’ny taratasin’ady isika, fa ilay zava-miseho no mahatonga saina.
Zary maty hasina ny fitsarana eto Madagasikara. Efa ela no nampikaikaika. Amin’izao fotoana izao, toa nivadika mainty tanteraka. Eny amin’ny tribonaly no toerana anjakan’ny tsy ara-dalàna sy ny kely tsy mba mamindro. Tsy mipetraka araka ny tokony ho izy intsony ny etika sy ny moraly. Nitsabaka hatramin’ny minisitra teo aloha aza. Olona noheverina ho nanana ny maha izy azy kanefa voasaringotra tamin’ny raharaha maloto. Voatery nesorina tamin’ny asany no niafarany satria nibaribary loatra ny tsy fetezan-javatra.
Mahakivy ny fizotry ny raharaham-pirenena, indrindra ny raharaham-pitsarana izay nomena ny fahefana fahatelo. Manana ny hasina, nololohavina an-tampon’ny loha mihitsy, notsongoin’olom-bolo vao hoe mpitsara na fianakaviana mpitsara. Indrisy, kisary hafa no hitan’ny fiarahamonina. Zary lasa biby fampitahorana sy mpanao kolikoly no fiheveran’ny Malagasy azy ireny.
Soa ihany, anisan’ny lohalisitra amin’ny fandaharanasan’ny minisitry ny fitsarana ny fanadiovana sy fijerena akaiky ireo fandoto iray tandroka. Miandrandra izay ho fahasahiany ny rehetra satria fotoana izao hanadiovana, andaniny, famerenana ny maha izy azy ny tontolon’ny fitsarana, ankilany.
Taon-trano tsy ho efan’ny irery anefa izany satria mifanandrina amin’ireo heverina ho « mafia » sy tambajotra matanjaka. Sokajin’olona tsy hanaiky lembenana amin’ny fahefana ananany, izay tsy maintsy baikoin’ny vola. Izy ireo izay tsy hanaiky lembenana ihany koa fa hiaro ny rambony tsy ho tapaka.
Mazava ho azy fa sarotra ny ady, kanefa ny mitabe tsy lanin’ny mamba. Rehefa ny fahamarinana no hatao filamatra…ny marina tsy mba maty izany !
r.r