Hiara hanohana ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara ny Orange Madagascar sy ny Confédération du tourisme de Madagascar (CTM). Omaly, nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny Tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord, sy ny Tale mpanantanteraka ao ny CTM, Ratovomalala Lova.
Misy fiantraikany betsaka eo amin’ny fizahantany sy ireo mpisehatra amin’izany ny teknolojia nomerika. Araka izany, hampiroborobo indray ity sehatra ity amin’ny “transformation digitale” ny Orange Madagascar. Hisitraka izany avokoa ireo mpikambana rehetra ao amin’ ny CTM, amin’ny alalan’ny fanofanana ny fahaiza-manao nomerika sy ny fandaharanasa Orange Digital Center (ODC). Programa manofana olona ho lasa matihanina amin’ny fampivoarana ny fahaiza-manao nomerika ny ODC. Hanampy ireo mpikambana ao amin’ny CTM amin’izany ireo fitaovana toy ny Wifiber Pro, Internet broadband, ary Orange Money ho an’ny fifanakalozana ara-bola. Marihina fa efa nanofana mpianatra maherin’ny 1.600 isa ny ODC hatramin’ny nisokafany. Ary vehivavy avokoa ny 61% amin’izany. Tany manan-karena sy manana ny zavatra mampiavaka azy ny nosintsika. Anisan’ny mampiroborobo ny toekarena ihany koa ny sehatry ny fizahantany. Antony nahatonga ny Orange Madagascar nirotsaka an-tsehatra hanohana izany amin’ny alalan’ny “transformation digitale”. Samy mino ny roa tonta fa hitondra ainga vao amin’ity sehatra ity sy ho an’ireo mpizahatany ary ho an’ny Malagasy rehetra ny fiaraha-miasa.
Henintsoa Hani