Nanomboka ny talata teo ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo olona mikarakara ny kara-tany , eny amin’ny kaominina Ivato. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny fanjakana tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, hanaovana kara-tany faobe, hahafahan’ireo olona misitraka ny taniny ara-dalàna ny hetsika.
Manodidina ny 1.000 isan’andro ny olona tonga manao ny fangatahana kara-tany ao anatin’ity hetsika manokana ity. Nilaza ny ben’ny Tanànan’Ivato, Randrianarisoa Penjy fa hotohizana amin’ny herinandro ambony ny fandraisana ny antontan-taratasy satria mbola betsaka ny olona tsy nahavita izany.
Sahirana amin’ny resaka fananan-tany ny ankamaroan’ny vahoakan’Ivato. Mipetraka sy nanajary teo amin’ny tany izy ireo saingy tsy mbola manana ny taratasy ara-dalàna. Sakana ny vola mihoa-pampana sy ny fivezivezena ary ny fahasarotan’ny antontan-taratasy takiana ka tsy hahavitan’izy ireo ny taratasin-taniny.
Fotoana izao hitsimbinana azy ireo isitrahany ny taniny, hoy ny ben’ny Tanàna. Mila tomombana avokoa anefa ny antontan-taratasy sy ny fanamarinana rehetra ilaina.
Tatiana A