Kitra – Atsimondrano Champions League: hiaro ny anaram-boninahiny ny Ste Anne Bongatsara

Hanomboka rahampitso alahady 7 mey, eny amin’ny kianja Ambohimamory, ny andiany faharoa amin’ny «Atsimondrano Champions League» (ACL), taranja baolina kitra. Fifaninanana karakarain’ny solombavambahoaka, Andry Ratsivahiny sy ny Actions Sport. Ekipa 78 avy amin’ny kaminina 26 mandrafitra an’Atsimondrano no hiady izay ho lohany amin’ity. Nambaran’ny mpikarakara nandritra ny fivoriana ara-teknika nanaovana ny antsapaka tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly folakandro fa mbola hiaro ny anaram-boninahitra efa azony, tamin’ ny andiany voalohany ny Ste Anne Bongatsara. Ankoatra izay, hiavaka ny amin’ity satria homena fiofanana ireo mpanazatra ny ekipa mpandray anjara rehetra. Atomboka amin’ny fampiarana ny lalàna mifehy ny lalao izany ny alakamisy 11 mey ary hitohy amin’ny fakana ny Licence D, mialoha ny famaranana ity Atsimondrano Champions League, ity. Ankoatra izay, hahazo baolina avokoa ireo ekipa mifaninana. Nanolotra baolina hifaninanana amin’ny fihaonana rehetra kosa ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta). Nambarany fa hatao amin’ny kianja synthètique, any amin’ny faritra Atsi­mon­drano ny famaranana ity ACL ity, satria fifaninanana manana ny lentany noho izy na­mo­aka ekipa mifaninanana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga. “Hiantohan’ny filoham-pirenena avokoa ny lany rehetra sy ny amboara amin’ity ACL ity”, hoy ny solombavambahoaka, Andry Ratsivahiny. Filaharan’ireo ekipa 78 sy lalao fiantsiana hikatrohan’ ireo mpanazatra ny faritra “A” sy “B” no hanokafana ny hetsika ny alahady ho avy izao.
Miahy ity ACL ity ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàn-dehibe sy ny toeram-ponenana ary ny governoran’Analamanga.

Torcelin

Partager sur: