Mamonjy aina ny fanasana tanana : afaka misoroka otrikaretina maro

“Miara-mientana isika, ndao hanasa tanana, satria mamonjy aina ny fanasana tanana”. Nomarihina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny fanasana tanana eny anivon’ny tobim-pahasalamana ka nanao hetsika koa ny teto Madagasikara. Ny 80%-n’ny otrikaretina azo eny amin’ny tobim-pahasalamana dia avy amin’ny tsy fanasan’ny mpiasan’ny fa­hasalamana, marary ary ny mpiandry marary tanana avo­koa, araka ny fanazavana azo. Nandeha nanentana ny olona rehetra teny anivon’ny hopitaly Befelatanana (HJRB) ny ekipa, nahitana olona 80 nitety ny sampandraharaha rehetra momba ny maha zava-dehibe ny fanasana tanana amin’ny savony. Nifarimbona nanatontosa ny asa fanentanana ny sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny manam-pahaizana ma­nokana amin’ny fifehezana sy ny fisorohana ny areti-mifindra ary ny mpiray ombon’antoka maro. Voate­ty ny sampandraharaha rehetra hatrany amin’ny efitranon’ny marary.

51% tobim-pahasalamana eto Madagasikara no manana fitaovana fototra ilaina amin’ny fanasana ta­nana.

Vonjy

Partager sur: